top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Fiaraha-Mientana ho an’ny Fanabeazana Feno Miantoka Ho Avy Mamiratra

Tsy vitan’ny hoe manampy anay hamaha ny olan’ny tsy fahampian’ny mpampianatra ao amin’ny sekoly fotsiny ny fahatongavan’ity Mpanabe [Jeune Leader] ity fa manamora ny fanabeazana sy mampihena ny fahatapahan’ny sekoly. Ary inoanay ny taham-pivoarana noho ity taranja ‘Jeune Leader’ ity.”

- Talen-tsekoly, CEG Fanjakana, CISCO Isandra



Ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Projet Jeune Leader dia miara-mientana sy manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanabeazana hamolavola ny mpianatra ho lasa olom-banona, salama ary tompon’andraikitra. Mba hahafahana manaparitaka sy mampaharitra izany fanabeazana izany dia resy lahatra ny roa tonta hanao fandaharan’asa hanofana Mpanabe voatokana manomboka amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity.



Miiasa 114 ireo Mpanabe voatokana ireo izay sady niofana ho mpampianatra taranja soratra na kajy tao amin’ny CRINFP Mahazengy no niofana ihany koa ho Mpanabe hampianatra ny taranja “Jeune Leader”. Ao anatin’ny taranja “Jeune Leader” dia ianaran’ny mpianatra ny mikasika ny fahaiza-mitarika, ny fifandraisana madio sy azo antoka, ny fialantsakana sy ny fahasalamana, ary ny fahaiza-miaina. Hitarika fandaharana manita-tsaina amin’ny alalan’ny vaky boky sy hanome tohana ireo ankizy manana olana ihany koa ireo Mpanabe Jeune Leader ireo. Tsy ny mpianatra any an-tsekoly ihany anefa no hisitraka izany fa hitarika fanofanana ho an’ny Ray aman-dreny koa izy ireo mahakasika ny fifandraisana mahomby amin’ny zatovo adolatsento.


Izany rehetra izany dia hatao any ambanivohitra hisitrahan’ny mpianatra rehetra fanabeazana tsara kalitao sy mitovy lenta: Hiparitaka sy hiasa eny anivon’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa amin’ny faritra ambanivohitra sy tena ambanivohitra (faritra 2 sy 3 hoan’ny fitsinjaran’ny Ministera) miisa 97 amin’ny CISCO 6 aty amin’ny faritra Matsiatra Ambony ireo Mpanabe Jeune Leader ireo.





Ny talen-tsekoly no mpiara-miombon’antoka fototra miara-miasa sy mifanohana amin’ny Mpanabe Jeune Leader. Noho izany dia niantso ireo talen-tsekoly rehetra amin’ireo kolejy 97 ireo ny ONG Projet Jeune Leader sy ny avy ao amin’ny CRINFP Mahazengy ho fiaraha-mientana. Nikarakara fivoriana arahina atrikasa nanazavana ny fiaraha-miasa sy ny fandaharan'asa andrana sy ny andraikitra ho tanterahan’ireo Mpanabe “Jeune Leader”, ny anjara andraikitr’ireo talen-tsekoly mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana sy ny fanaraha-maso ny andrana. Ary ny lehibe indrindra dia ny fametrahana fifampitokisana sy toe-tsaina mifanampy eo amin’ny mpiara-miombon’antoka ny Projet Jeune Leader, ny CRINFP ary ny talen-tsekoly.


Hita taratra nandritra ny fiarahana fa zava-dehibe ho an’ireo talen-tsekoly ity fanabeazana ity ary vonona izy ireo handray anjara amin’ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’izany.

Antony iray tena nahaliana ny talen-tsekoly iray avy ao amin’ny CISCO Isandra amin’ny asa hataon’ny Mpanabe Jeune Leader ny ady amin’ny fitondran-tena mampidi-doza, satria araka ny nambarany ny mpianatrin’ny CEG dia variana amin’ny hery sy ny volan’ireo miaramila miasa eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy hany ka tsy dia liana loatra amin’ny fianarany.

Talen-tsekoly roa avy ao amin’ny CISCO AMBALAVAO dia samy nilaza fa ny fahatongavan’ny Mpanabe Jeune Leader dia tsy vitan’ny hoe manampy hamaha ny olan’ny tsy fahampian’ny mpampianatra ao amin’ny sekoly fotsiny fa manamora ny fanabeazana sy mampihena ny tahan’ny fitsoahana an-daharana noho ity taranja vaovao « cours Jeune Leader » ity.


Nambaran’ny talen-tsekoly iray tao amin’ny CISCO Ambohimahasoa hoe:

“Efa nangetaheta izao fandaharanasa izao izahay talen-tsekoly ary misaotra anareo nitondra izany satria iaraha-mahalala fa sarotra ny manabe ny tanora ary manantena tokoa izahay fa hitondra fiovana tsara eo amin’ny toeram-piasanay izany.”

Tao anatin’ny rivo-piarahana feno fisakaizana no nanaovana ny atrikasa, nandray anjara betsaka ireo talen-tsekoly ary tsy nisalasala nametraka ny fanontaniana sy ny ahiahiny. Vonona ihany koa izy ireo hiara hientana hampahomby ny andraikitra rehetra sahanin’ny Mpanabe Jeune Leader ho antoky ny hoavin’ny mpianatra.




bottom of page