top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Andao Hanamafy ny Firaisan-kinantsika: Symposium Mai 2022

"Fifaliana ho ahy ny milaza fa 0% ny tahan’ny bevohoka any am-pianarana nandritran’izay 3 taona niasan’ny Jeune Leader tao izay…"

- Talen-tsekoly, CEG Ambalamahasoa (Amoron’i Mania)




Anisan’ny zava-manandanja iray lehibe amin’ny ONG Projet Jeune Leader ny fifandraisana sy ny fifaneraserana amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.


Noho izany dia mikarakara fihaonambe na Symposuim isan-taona iarahana amin’ireo talen-tsekoly mpiara miombonantoka ireo ny ONG Projet Jeune Leader, notanterahana tao Ranomafana izany tamin’ity taona 2022 ity tamin’ny 18 ka hatramin’ny 20 Mey lasa teo. Talen-tsekoly sy mpandraharahan’ny sekoly 50 tamin’ireo sekoly 51 mpiara-miasa no tonga nanatrika izany. Tamin'ity taona ity dia fanamafisana ny fahavononan'izy ireo amin'ny fiaraha-miasa no tanjon'ny fivoriana. Tao anatin’izay no niarahana nanao topi-maso ny fivoarana sy ny vokatra azo tamin’ny fisian’ny Jeunes Leaders tao amin’ny sekoliny hatramin’izay.


Raha tsiahivina, nandritra ny symposium farany tamin’ny taona 2021 dia nisy ny sahan’asa antsoina hoe “Affinity Clustering” izay nahafahana nandinika miaraka ny vokatry ny asan’ireo Jeunes Leaders ireo teo amin’ny mpianatra, ray aman-dreny, fiaraha-monina ary ny sekoly. Nodinihina sy nofakafakana izany ary naseho tamin’ity symposium ity. Niarahana nandinika io vokatra hita io ary nofakafakaina miaraka izay hetsika mivaingana tamin’ny asa sahanin’ny Jeunes Leaders nahatonga ny vokatra tsirairay.




Maro an’ireo vokatra tsapan’ny talen-tsekoly dia fiovana hitan’izy ireo amin’ny fitondran-tenan’ny mpianatra, ohatra “Lasa matoky tena ny mpianatra”, “Lasa misokatra kokoa ireo sain’ny mpianatra”, ary “Lasa mazoto mianatra sy tamana ao an-tsekoly ireo mpianatra”.


Nanazava ny talen-tsekoly CEG Mahatsinjony (Haute Matsiatra) fa,

“Rehefa nisy ny Jeune Leader dia lasa misy olona hanaborahana ny olany ireo mpianatra, lasa mahazo sehatra vaovao araka izany izy ireo ka tsapany fa misokatra ny hoaviny manoloana izany zavatra izany hany ka tamana an-tsekoly ireo mpianatra satria tiany ilay izy.”

Nilaza ny talen-tsekoly fa nisy vokatsoa ihany koa teny anivon’ny sekoly, ohatra “Lasa manao animation ihany koa ny mpampianatra hafa rehefa mampianatra” ary “Mitombo lanja sy lasa tsara kokoa ny sekoly.”


Anisan’ny vokatra iray hita teny anivon’ny sekoly ihany koa dia “lasa mihatsara ny fifandraisana teo amin’ny sekoly.” Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo talen-tsekoly dia miteraka izany vokatra izany ny sahan’asa Counseling satria io hetsika io dia mandrisika ny mpianatra hizara ny ahiahiny, ny olany amin’ny Jeune Leader. Avy eo ireo Jeune Leader ireo dia mandrisika ny mpianatra hiresaka amin’ny olon-dehibe azo itokisana hafa toy ny mpampianatra, Ray aman-dreny, ​​eny fa na dia ny Talen-tsekoly aza. Io sahan’asa iray io dia manamafy ny fifandraisana misy eo amin'ireo vondrom-piarahamonin’ny sekoly. Ohatra ny Talen-tsekoly ao amin’ny CEG Ambilombe (Vakinankaratra) dia nilaza fa “Ohatra eo amin’ny Counseling, milaza ny Jeune Leader fa tsy voatery ho olona iray ihany no hitarika! Hany ka lasa sahy mifampiresaka sy tsy dia menamenatra intsony sady lasa mifampizara ny zava-misy ny rehetra! Mihatsara araka izany ny fifandraisana eo amin’ny sekoly.”


Ny vokatra tena nahafaly ny ekipa Projet Jeune Leader noho izy no ao anatin’ny tanjon’ny tetik’asa dia ny hoeMihena ny tahan’ny vohoka aloha loahtra eny amin’ny sekoly.” Saika ny talen-tsekoly rehetra no nahatsapa io vokatra goavana io teny amin’ny sekoly niandraiketany hatramin’ny nisian’ny Jeune Leader.


Nanazava ny talen-tsekoly CEG Andriambilany (Vakinankaratra) hoe:

Tany aminay no tena nahitana an’izay vohoka aloha loatra izay teo aloha, fa hatramin’ny nisian’ny JL dia lasa mahazo torohevitra ny rehetra satria betsaka ny fifampiresahana mahakasika an’ilay vohoka aloha loatra sy ny fifanampiana hoan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ao amin’ny sekoly hany ka foana mihitsy amin’izao ilay vohoka aloha loatra vokatrin’ny zava-misy satria hita porofo tamin’ny fizahana ara-pahasalamana tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena (BEPC) dia tsy nahitana mpianatra bevohoka ny tao amin’ny kilasy 3ème ary ny Ray aman-dreny rahateo koa efa nahazo fiofanana mahakasika an’ilay fialàna amin’ny vohoka aloha loatra.”


Inoana tokoa fa hitondra ny tanora amin’ny ho avy mamiratra ireo fiovana hita ireo izay tsy tongatonga ho azy fa nohon’ny firaisan-tsaina sy ny fiarahana andraikitra. Isaorana lehibe araka izany ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sekoly ireo satria izy ireo dia mpandray anjara fototra manampy sy manohana ny tetik’asa amin’ny fivoarana sy fivelarana nahatonga izao vokatra izao.




bottom of page