top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Ny Jeune Leader sy ireo zavatra 7 tsy mbola fantatrao

Tiako ny JL fa mamalifaly amin'ny manorisory. Mampazoto mianatra lesona sy mamerina devoir. Tiako koa raha lasa mpitarika aho fa hatramin’ny nahatongavan'ny JL dia falifaly aho rehefa manao zavatra fa tsy tezitra. (Mpianatra ao amin’ny CEG FIADANANA)

Tsy misy olona teraka ho mpitarika fa ny olona no volavolaina ho lasa mpitarika. Ny Jeune Leader dia tanora notsongaina tao anatin’ny maro mba hizara fahaizana aman-pahalalana sy ho maodely ho an’ny zatovo. Manoloana izany dia manana ny mampiavaka azy manokana izy ireo amin’ny andraikitra izay tanterahany eny amin’ny ireo kolejy misitraka ny tetik’asa Projet Jeune Leader.


Ny Jeune Leader sy ireo zavatra 7 tsy mbola fantatrao:



1 - Voasivana tao anatin’ny maro


Isan-taona ny tetik’asa Projet Jeune Leader dia mandray tanora hiasa ka rehefa tonga izay fotoana izay dia manodidina ny 500 eo ho eo ireo tanora tonga mamaly ny antso. Amin’ny 4 ora maraina dia efa lava ny laharana ho an’ireo liana sy mahafeno fepetra miaraka amin’ny kara-panondro eny an-tanana sy ny taratasy misy ny mombamomba azy. Samy vonona daholo izy rehetra saingy voafetra araka ny isan’ireo sekoly iasana ny isan’ny tanora ho raisina; ka tsy maintsy manao sivana ary izay manana ny kalitao tsara indrindra no raisina. Mandalo sivana in-droa ireo tanora ireo alohan’ny fiofana izay tsy maintsy atao, ary aorian’izay ny sivana farany handraisana ireo hanatanteraka ny asa eny amin’ny kolejy.



2 - Mandalo fiofanana


Aorian’ny sivana faharoa dia omanina ny Jeune Leader hanana ilay toetra mendrika amin’ny tontolon’ny asa eny amin’ny kolejy, hahay hifandray amin’ny ankizy, sy ireo mpiara-miasa eny ary ny ray aman-dreny amin’ny toerana izay hisy azy tsirairay avy. Ankoatra izay dia ofanina amin’ireo andraikitra izay hiantsorohany eny amin’ny kolejy hiasany izy ireo sy ny pitsopitsony rehetra amin’ny fanatanterahana izany. Ao anatin’io koa no ifanakalozan’izy ireo ny traik’efa rehetra mahakasika ny fanentanana sy ny kilalao maro isan-karazany mahaliana ny ankizy. Aorian’izay vao tonga amin’ilay dingana anaovana ny sivana farany hahavoaray ho Jeune Leader; izany hoe misy amin’ireo tanora nandalo fiofanana tsy voatery ho lasa Jeune Leader.



3 - Mifindra monina any ambanivohitra


Ny 90 isan-jaton’ireo kolejy iasan’ny tetik’asa Projet Jeune Leader dia any ambanivohitra daholo; noho izany ny Jeune Leader dia tsy maintsy mifindra monina mipetraka any mandra-pahatapitrin’ny taom-pianarana iray manontolo. Ilaozana ny ray aman-dreny, ny namana aman-tsakaiza sy ny fahazarana taty an-drenivohitra satria ny 5 andro fiasana dia tsy maintsy any amin’ny sekoly ary ny faran’ny herinandro izy ireo no misafidy na hody aty an-drenivohitra na tsia. Maro no sambany vao niaina izany saingy hain’izy ireo ny mamboly fifaliana sy mankafy ny fiainana any ambanivohitra any ka dia tamana daholo izy rehetra. Ny sasany aza tsy mody aty andrenivohitra mihintsy raha tsy in-dray mandeha isam-bolana.



4 - Mpampianatra milay


Ny Jeune Leader dia niofana hampita fahalalana sy hanabe ireo zatovo amin’ny fiainana maha-tanora sy ny fahaizana mitarika; izany hoe taranja mahaleo tena tanteraka no tazominy ary dia toy ny mpampiantra rehetra koa izy. Samy manana ny fianarana nataony izy rehetra ary anisan’ny tombony ho azy ireo koa izay; satria ankoatra ny fampianarana ny taranja Jeune Leader dia manampy ny mpianatra amin’ny taranja hafa ilainy fanampiana any ampianarana koa izy ireo. Eo anatrehan’izay nefa dia manana ny mampiavaka azy manokana ny Jeune Leader amin’ny fomba fampitana lesona; satria amin’ny alalan’ny sahan’asa maro isan-karazany sy kilalao no ampitany izany.



5 - Any an-tsekoly ny tontolo andro


Mahatalonjana ny fahazotoan’ireo Jeune Leader. Mavitrika tokoa izy rehetra mamonjy lera eny amin’ny kolejy manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro, ohatr’izay koa ny tolakandro amin’ny 2 ora ka tsy mody raha tsy amin’ny 5 ora hariva indray. Faly aoka izany ny ankizy satria rehefa tsy mampianatra ny Jeune Leader dia mahita karazana kilalao sy fialamboly hiarahana amin’ny ankizy foana ka dia samy afa-po daholo vao hariva ny andro. Ny zavatra tena mahavariana dia misy ankizy foana manarakaraka ireo JL ireo rehefa eny andalana mandeha mody ary finaritra ery mitondra ny kitapony, na miresadresaka sy mametraka fanontaniana amin’ny Jeune Leader.



6 - Mandray karama


Ny Jeune Leader nefa dia mbola tanora dia tanora tokoa, misy amin’izy ireo no vao 18 taona monja ary ny ankamaroan’ny dia sambany vao niditra amin’ny sehatrin’ny asa. Mavitrika sy mazoto izy ireo manatanteraka ny andraikiny eny amin’ny kolejy satria tena mbola zava-baovao aminy izany; ary dia mahita zavatra mahafinaritra ho tantaraina foana rehefa tonga ny fivoriana fatao isam-bolana. Amin’izay sambany vao miasa izay dia io koa no asa andraisany karama voalohany ka rehefa tonga ny faran’ny volana dia mba milahatra toy ny olon-dehibe eny amin’ireny toera-pandraisam-bola ireny koa izy rehetra.



7 - Mpitarika


Ny fahaiza mitarika no toetra amaritana ireo Jeune Leader na any amin’ny kolejy izany na any amin’ny fiaraha-monina izay misy azy avy. Anisan’ny zava-dehibe izany ary izany indrindra no hahafahany hitarika ireo zatovo eny amin’ny kolejy amin’ny lalana tsara tokony hizorany hahatonga azy hanana ho avy mamiratra sy ho tody amin’ny tanjona nokendreny. Samy manana ny fomba fanehoana izany avokoa ireo Jeune Leader ireo ary izay no antony lehibe nahatonga azy ireo ho voasafidy tao anatin’ireo tanora maro nifaninana ka nahatonga azy ireo ho voaray hiasa eny amin’ny kolejy.

bottom of page