top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Ny Fanararaotana ara-pihetseham-po any ambanivohitr'i Madagasikara


A female Projet Jeune Leader Educator wraps her arm around a female middle school student in Madagascar.

Fanohanana sy Fanampiana ny Zatovo marefo any ambanivohitr’i Madagasikara


Ireo Jeune Leader ato amin’ny tetikasa Projet Jeune Leader dia tsy mpampianatra fotsiny ihany fa mpanoro hevitra sy mpanolo-tsaina ho an'ny ireo zatovo mpianatra ihany koa. Izy ireo matetika no fanohanana voalohany sy hany fanampiana misy ho an'ny mpianatra, indrindra ny any ambanivohitra–, mba tsy hilazana fa izy ireo no anisan’ireo olon-dehibe voalohany izay itokisan'ny zatovo amin’ny fakana torohevitra.


Eny, efa manampy ny mpianany amin'ny lafiny maro tokoa ny Jeune Leader - ny fianarany, ny finamanana, ny fahasalamany – saingy misy ihany ny olana izay saro-bahana: ny fanararaotana ara-pihetseham-po.


Heverina fa ara-dalàna ny fanararaotana ara-pihetseham-po ary afenina eo anivon’ny tokantrano, sekoly ary ny fiarahamonina maro manerana an'i Madagasikara.


Ohatra amin’izany, ankizy 8 ao anatin’ny 10, manodidina ny 10 hatramin’ny 14 taona eto Madagasikara no mitatitra fa ny herisetra ara-tsaina sy ara-panahy no nampiasaina tamin’izy ireo ho endrika fifehezana ao an-trano nandritra ny volana lasa (MICS, 2018). Na izany aza, ireo zatovo, indrindra ireo monina any ambanivohitra, dia tsy manana ivo-toerana azo antoka amin'ny fanampiana sy fiarovana ny ankizy toy ny ivotoerana fihainoana fitarainana sy trano fialofana, na mpiasa sosialy, na koa fanohanana ara-dalàna. Ary na dia manana ny laharana maitso fitorohana ny herisetra aza i Madagasikara, dia ny 11%-n’ny mponina ambanivohitra ihany no manana herin’aratra eto Madagasikara (Banque Mondial, 2020). Ireo Jeune Leader, izay tafiditra mandritry ny fotoana feno ao amin'ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa any ambanivohitra, dia matetika miasa ho toy ny "mpiahy voalohany" ho an'ireo tanora niharan’ny herisetra, anisan'izany ny fanararaotana ara-pihetseham-po.


A female Projet Jeune Leader walks across a wooden bridge to get to her partner school in Antanetibe, Madagascar.
Miasa any ambanivohitra amin’ny toerana mitoka-monina eto Madagasikara ireo Jeune Leader ato amin’ny Tetikasa Projet Jeune Leader. Hita eto amin'ny sary ny JL mandeha miasa ao amin’ny CEG Antanetibe, any amin'ny faritra Amoron'i Mania Madagasikara.

Tamin’ny taon-dasa, dia niara-niasa tamin’ny Omena izahay mba hanatsarana ny fahaiza-manaon'ny Jeune Leader sy ny faharetany hamaly ireo tranganà fanararaotana ara-pihetseham-po ao anatin’ny sehatry ny asany.


Ny tanjon'ny Omena dia ny hanapaka ny tsingerin'ny fanararaotana ara-pihetseham-po eto Madagasikara. Ao anatin'ny fiaraha-miasa amin’ny Omena izay dia nanao fanofanana lalina ho an'ny Jeune Leader momba ny fahalalana ny fanararaotana ara-pihetseham-po sy ny fanomezana fanohanana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po mifanaraka amin'ny tanora izahay. Tamin'ny alalan'ny fampiharana iombonana nandritra ny taom-pianarana iray (resahina misimisy kokoa ato amin'ity tantara ity!), ary nanampy ny Jeune Leader mba handrindra ny traikefany amin'ny toerana milamina sy azo antoka.


Ny fiantraikan'ity tetikasa ity dia sady lalina no haingana.


Ny fahafantarana ny fanararaotana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po


Rehefa nianatra momba ny famaritana sy ny famantarana ny fanararaotana ara-pihetseham-po tamin'ny alalan'ny fiofanana nataon'ny Omena ny Jeune Leader, dia nanomboka nizara ireo tranga mikasika ny herisetra henony momba ny fanararaotana ara-pihetseham-po.


"Naheno tranga maro momba ny herisetra ara-pihetseham-po aho, saingy tsy mbola fantatro izany taloha, ankehitriny vao tena fantatro fa kay fanararaotana na herisetra izany," hoy ny iray tamin'ireo Jeune Leader — Anisan’ny hevitra itovizan’ny rehetra.


Maro amin'ireo tranga henon’ny Jeune Leader tamin’ny mpianatra no nahitana fanararaotana avy amin'ny ray aman-dreny (araka ny fantatray, izay hita araka ny angon-drakitra nasionaly nivoaka). Na izany aza, maro koa ny tranga hafa izay nahitana fanararaotana avy amin'ny mpampianatra na olona manam-pahefana hafa, ary koa tranga maro momba ny fanararaotana ara-pihetseham-po avy amin'ny mpiara-mianatra.


Mbola miafina eto Madagasikara ireo olana ireo ary heverina fa resa-pady, eny na dia ireo Jeune Leader aza. Ny fiofanana izay natao tamin'ny toerana azo antoka dia nahafahana nivoy ireo olana saro-pady ireo. Ny fiofanana ihany koa dia nanampy ireo Jeune Leader hisaintsaina ny anjara asa lehibe iandraiketany amin’ny fisorohana sy ny fandraisana andraikitra. “Tena zava-dehibe ho anay ny mahatakatra sy mampianatra ity olana ity mba hahafahanay manampy ireo mpianatra efa niaina izany, ary koa mba hisorohana ny fanararaotana ara-pihetseham-po amin’ny ho avy”, hoy ny fanambaran’ny iray tamin’ireo Jeune Leader.


Fampitaovana ireo Jeune Leader amin'ny fitaovana hanohanana ireo zatovo marefo


A male Projet Jeune Leader Educator talking to a middle school student in a one-on-one counseling session at a public school in Madagascar.

Tamin'ny alalan'ny fiofanana sy ny fanaraha-maso ny fampiharana iombonana, ny Jeune Leader dia tsy vitan'ny hoe nandalina fa nahazo ihany koa ireo fitaovana entina mamaly izany. “Tena nanampy ahy tany am-piasana ny fiofanana satria mahita tranganà fanararaotana ara-pihetseham-po maro aho eo amin'ireo mpianatro. Ankehitriny, manana fitaovana ampy hiatrehana ireo toe-javatra ireo aho ary manana ny fahaizako manatontosa tsara ny asako”, hoy ny iray tamin’ireo Jeune Leader.


Araka ny nosoratan'ny Jeune Leader iray tao amin'ny fanadihadiana taorian'ny atrik’asa, "Ny fampiharana iombonana dia nanampy ahy betsaka tamin'ny asako satria ankehitriny dia mazava kokoa amiko ny mikasika ny fanararaotana ara-pihetseham-po. Izany dia manampy ahy hanazava izany koa amin'ny olon-kafa sy hanatsara ny fomba fiasako hanohanana ireo mpianatra miaina izany."


Fandikana ny fomba fanohanana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po ho amin'ny fanatsarana programa ho an'ny tanora any ambanivohitr'i Madagasikara


Rehefa namarana ity tetikasa andrana ity izahay dia nanova ny fianaranay ho fitaovana sy vokatra vaovao ho an'ireo Jeune Leader ho ampiasainy amin'ny asany andavanandro. Niara-niasa tamin'ny Jeune Leader ny ekipa teknikan'ny PJL mba hitondra ny fototry ny traikefany ho hitan’ny besinimaro miaraka amin'ny fahalalana sy fahaiza-manao vaovao izay azon’izy ireo tamin'ny Omena.


Namorona fizarana iray izahay momba ny famaliana ny fanararaotana ara-pihetseham-po amin’ny fanomezana toro-hevitra vaovao ary natao am-boky izany, nosoratan’ny Jeune Leader ho enti-miasa ho an’ny Jeune Leader rehetra, izay mikendry ny hampitaovana azy ireo ary voarindra kokoa ny fitondrana izany. Namolavola lesona roa mifanentana amin'ny taonan’ny mpianatra ihany koa izahay (ny iray momba ny “fahatakarana, famaliana, ary fisorohana ny herisetra ara-pihetseham-po na ara-tsaina” ary ny iray momba ny “Fametrahana fetra”) mba hampidirina ao amin'ny fandaharam-pampianarana PJL momba ny fanabeazana feno mahakasika ny fananahana ho an'ny mpianatra amin'ny kilasy famaranana ny ambaratonga faharoa.


A female Projet Jeune Leader Educator with a group of adolescent students in a public school in Madagascar, leading a participatory activity.

Nanao andrana ireo lesona vaovao ireo teny ifotony niaraka tamin’ny zatovo izahay. Izany dia nahafahanay nandinika lalindalina kokoa sy nanatsara ny votoatin’ny lesona sy ny voambolana ao anatiny. Izany ihany koa dia nahafahanay mahafantatra mialoha ny maha-zava-dehibe sy ny fiantraikan'ny lesona.


“Tsy fantatro hoe herisetra ny nataoko”, hoy ny fitantaran’ny lehilahy iray mpianatra kilasy taona faha-8.


Eny tokoa, 57 amin’ireo mpianatra 59 izay nandray anjara tamin'ny fitsapana teny ifotony tamin’ity lesona vaovao ity dia mbola tsy nandre ny teny hoe fanararaotana ara-pihetseham-po. “Mbola vaovao amiko ny lesona satria tsy resahana matetika eo amin’ny fiaraha-monina. Nahita olona maro anefa aho nanao teny mandratra im-betsaka, faniratsirana avy amin’ny namana, ary tsy fantatro fa endrika herisetra ara-pihetseham-po na ara-tsaina ireny”, hoy ny fitantaran’ny vehivavy mpianatra iray ao amin’ny kilasy taona faha-9.


Nizara taminay ny iray tamin’ireo mpianatra hoe: “Haiko izao ny manavaka ny herisetra ara-batana sy ny herisetra ara-tsaina. Taloha, ny herisetra ara-batana ihany no fantatro.”


Ny asa feno fanoloran-tena amin'ny fandravana ny tsingerin'ny fanararaotana ara-pihetseham-po eto Madagasikara


Fantatray fa santatra am-bavarano ihany ireo ezaka ireo. Afaka iray volana dia hampitombo ny fiofanana mialoha ho an’ireo Jeune Leader izahay, ary hamerina hijery ny fomba ahafahanay manohana bebe kokoa ny azy ireo mandritra ny taona, izay mifototra amin'ny zavatra nianarana tamin'ny fampiharana iombonana. Hamolavola torolàlana feno momba ny torohevitra ihany koa izahay ary fandaharam-pampianarana vaovao momba ny fanabeazana feno mahakasika ny fananahana ho an'ny kilasy taona faha-9 izay mifantoka tanteraka amin'ny fenitra ara-tsosialy, ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny fisorohana ny herisetra. Ny tanjonay dia tsy ny hoe hanatsara ny fanohanan atolotray sy ny fandraisana andraikitra amin'ny famaliana izany fotsiny, fa ny fiatrehana ireo fanao sy fenitra manimba ihany koa.


"Ny fanoloran-tenan'ireo Jeune Leader ato amin’ny Tetikasa Projet Jeune Leader ho lasa môdely ho an'ny mpianatra dia nahatonga azy ireo ho afaka amin’izany herisetra izany ary nampitombo ny fiantraikany teo amin'ny fiaraha-monina," hoy i Francesca Raoelison, mpanorina sy Tale Mpanatanteraka ny Omena izay mpiara-miasa akaiky taminay. “Manome fanantenana anay izy ireo hahita ny vinanay hanatanteraka ny fandravana ny tsingerin’ny fanararaotana ara-pihetseham-po eto Madagasikara.”

 

Ny fiaraha-miasan’ny Tetikasa Projet Jeune Leader sy Omena dia notohanan’ny USAID/Youth Excel’s “Global Grant Competition ho Fampandrosoana ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana amin’ny alalan’ny Firaisankina ara-tsosialy eo an-toerana”.

 
Vakio ny momba ny singa faharoa amin'ny tetikasanay — ny fomba nanatanterahanay ny fomba fiasa vaovao hanatsarana ny filaminana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-pon'ny Jeune Leader!



A group of Projet Jeune Leader Educators sitting around a large wooden table and laughing.

bottom of page