top of page
  • Photo du rédacteurProjet Jeune Leader

Ny fanabeazan’ny tetikasa Projet Jeune Leader ny ankizy any an-tsekoly

"Ny zaza dia iaraha-manana, andraikitry ny ray aman-dreny ny mitaiza any an-trano, ny mpampianatra aty an-tsekoly... Ity tetik'asa ity dia sehatra anakiray ahafahantsika mifanampy bebe kokoa. Manampy be dia be amin'ny fampandrosoana satria mahasahana ny lafiny ara-tsosialy, indrindra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy fampianarana..." - Solotena avy amin'ny CHEF DE SERVICE DE L'ENSEIGNEMENT SECONDAIRE

Ny fialantsakana sy ny fifandraisana eo anivon’ny fitiavana ary ny fiomanana hanorina tokantrano sy hanana taranaka rahatrizay, dia anisan’ireo lafim-piainana maro hanabeazan’ny tetikasa Projet Jeune Leader ny ankizy any an-tsekoly.


Tsy azo ialana intsony manko ny firesahana an’ireo lafim-piainana ireo, noho izy efa nahariharin’ny loharanom-pahalalana maro hita eny rehetra eny. Raha tsy ny antsika no tonga aloha, dia mety hitarika ireo zanatsika ho amin’ny lalan-diso ireo zavatra hitany ao amin’ny aterineto sy ny fahitalavitra, na ifampiresahany amin’ireo namany. Iaraha-mahalala fa tsy voatery ho azo antoka, na sahaza ny taonany, na narafitra hahasoa azy ireo, izay zavatra ho sendra azy ao.


Izany indrindra no antony irotsahan’ny Projet Jeune Leader eny anivon’ny kolejim-panjakana, ka hanabeazany ireo ankizy:

  • hahay hiatrika ny fialantsakana, rehefa manatona ny fotoana hidirany amin’izany,

  • hikolokolo fifandraisana madio amin’izay ho olontiany, rehefa lehibebe kokoa izy, ka manomboka mitsiry ny fitiavana, ary

  • hitandrin-tena mandrampahatongany eo amin’ny toerana sy fotoana sahaza hanorenany tokantrano sy hananany taranaka, rehefa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fahatanorana.

Hitantsika amin’izany fa fanabeazana mifanaraka amin’ny taonany sy ny fitomboany no raisin’ireo ankizy. Ambonin’izany, dia fahalalana sy fahaizana mari-pototra, ary ankatoavin’ireo rafi-panjakana misahana ny fanabeazana toy ny CISCO sy ny DREN no rantoviny. Raha fintinina, dia fampianarana voasedra, voamarina ary narafitra hahasoa azy ireo, no raisin’ireo mpianatra any an-tsekoly.



Miara-miasa amin’ny tetikasa koa ireo mpanabe hafa eo anivon’ny fiaraha-monina. Ao an-tsekoly no iantombohan’izany, miaraka amin’ireo mpampianatra hafa sy ny Tale. Tsy diso anjara amin’izany ireo mpitondra fivavahana sy raiamandreny am-panahy eo an-toerana fa miara-misalahy amin’ny tetikasa koa.


Tonga hatrany an-tokantrano ny asan’ny tetikasa amin’ny fanofanana ireo ray aman-dreny momba ny fifampiresahana an’ireo lafim-piainana ireo amin’ny zanany. Ny tanjona amin’izany fifarimbonana izany dia ny hampifanaraka sy hampifameno ireo fanabeazana raisin’ireo zanatsika eny amin’ireo sehatra maro misy eo amin’ny fiaraha-monina.



Fanabeazana feno no atolotry ny tetikasa fa tsy mandeha ila, sanatria, ny fampianarana momba ny fialantsakana, ny fifandraisana eo anivon’ny fifankatiavana ary ny fiomanana hanorina tokantrano sy hanana taranaka rahatrizay. Ny tanjona imasoan’ny tetikasa manko dia ny hanabe ireo ankizy ho lasa olom-banona.


Araka izany dia sady manome fahalalana ampy ny ankizy ny tetikasa, no manabe azy ireo handanjalanja tsara ny ataony, mba handraisany fanapahan-kevitra matotra, mahasoa ary feno fahendrena.


Amin’ny taona hianarany momba ny fialantsakana, ohatra, dia beazina hanome hasina ny tenany koa ireo ankizy. Ireo lafim-panabeazana roa ireo no mifandray tendro, ka mahatonga an’ireo ankizy hitandro ny fahadiovana mandritra ny fialantsakana.


Rehefa mianatra momba ny fifandraisana eo anivon’ny fifankatiavana indray ireo zatovo, dia efa nandalina momba ny fahatokisan-tena, ka manana ny fahasahiana ilaina handavana izay faneriterena mety hitranga eo anivon’izany fifandraisana izany (raha sanatria misy izany).

Ny fiomanana hanorina tokantrano sy hanana taranaka rahatrizay kosa, dia miara-dia hatrany amin’ny fametrahana tanjona ho an’ny fiainana sy ny fibanjinana hoavy mamiratra. Rehefa manana tanjona mazava sy mahalala izay lalana tiany hodiavina ireo tanora, dia mahita finiavana ho azy handray ireo fepetra fitandreman-tena ilaina, mandrampahatongany amin’ny fotoana sy ny toerana sahaza ho amin’izany tokantrano sy taranaka izany.

Ny hahatonga ireo ankizy beazina ho lasa olom-banona no hany tanjona imasoan’ny tetikasa eo amin’ny zavatra rehetra ataony. Araka izany dia:

  • Ampifanarahany amin’ny taona sy ny fivoaran’ireo ankizy ny fanabeazana atolony momba ny fialantsakana, ny fifandraisana eo anivon’ny fitiavana/fitiavan-olon-droa, ary ny fiomanana hanorina tokantrano sy hanana taranaka rahatrizay,

  • Fahalalana sy fahaizana mari-pototra, voasedra, ankatoavin’ny fanjakana, ary narafitra araka ny tokony ho izy no atolony ao anatin’izany,

  • Mifarimbona amin’ireo mpanabe hafa eo anivon’ny fiaraha-monina izy amin’izany, ary

  • Fanabeazana feno no atolony mba hananan’ireo ankizy finiavana sy fahatokisan-tena handray fanapahan-kevitra am-piheverana sy am-pahamatorana, ao anaty tontolo manohana azy.

Resy lahatra ny tetikasa sy ireo miara-misalahy aminy fa io no làlana hahatonga ny zanatsika ho lasa olom-banona!


bottom of page