top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Marc, tanora mpitarika, mampiasa ny fahaizany miavaka maneho an-tsary ny sahan’asa ato amin’ny PJL

Anisan’ireo tanora nahazo fiofanana sy mpitarika tato amin’ny tetik’asa Projet Jeune Leader i Marc. Jeune Leader niasa tao amin’ny CEG Antsaharoa izy tamin’ny taom-pianarana 2016-2017, kolejy nianarany sady toerana nahalehibe azy. Nanohy izany tamin’ny taona 2018-2019 tao amin’ny CEG Mahazengy izy ary tao amin’ny CEG Ambalakely tamin’ny taom-pianarana 2019-2020.


JL Marc, CEG Ambalakely, 2019

Iray amin’ireo sahan’asa tena tiany indrindra fony izy Jeune Leader ny “counseling”, fihainoana sy fanampiana ireo zatovo manana olana handray fanapahan-kevitra tsara. Nanakaiky sy nifandray am-po tamin’ireo zatovo mpianatra izy ary maro be ireo ankizy no nanatona azy nangataka toro-hevitra sy namboraka ireo olana mahazo azy. Ny iray tamin’ireo mpianatra nobeaziny dia nilaza fa:

“Ilay zavatra banga taminahy, izany ohatran’ny hoe tsy nahasahy nitantara amin’ny dadanay momba an’ilay règle, dia kanefa an! Tamin’i Marc aho tena mahasahy, milaza an’izay hoe aho ohatr’izao, aho ohatr’izao, ... Tena tsapako hoe tena nahafeno ny banga teo amin’ny fananako zoky izany reo e! Tena noraisiko ohatran’ny zoky iray tampo aminahy mihitsy.” - Mpianatra CEG Antsaharoa taona 2017*

Tsapa fa nametraka fitokisana tanteraka taminy ireo zatovo tany amin’ireo sekoly niasany ary nandray azy ho modely mihitsy.


JL Marc, CEG Antsaharoa, 2017

Ankoatra io anefa dia mana-talenta amin’ny fikirakirana sary sy horonan-tsary koa i Marc ary lasa anton’asa mihitsy izany ankehitriny. Nanomboka tamin’ny fifaninana sary tamin’izy Jeune Leader niasa tao amin’ny CEG Antsaharoa no nahatsapany fa manana fahaizana manokana izy amin’ny fakana sary ary nitombo foana izany nandritra ny atrik’asa niarahany tamin’ny Projet Jeune Leader.


“Ny nahazahoako voalohany tamin’iny fifaninana iny no nahatonga ahy ho tia maka sary satria matoa aho nahazo voalohany tamin’ireo Jeunes Leaders maro nifaninana dia nisy antony tao, taorian’izay dia nisy koa ny fanaovana magazine VINA dia nitombo teny ny fitiavako maka sary.”

JL Marc, CEG Antsaharoa, 2017 (Tamin'ny fifaninana sary)

Na dia teo aza ireo sahan’asa niarahany tamin’ny tetik’asa ireo dia anisan’ny nanampy azy koa ny fahatokisan-tena amin’ny maha mpitarika azy; Izay no nanosika azy hivoatra hatrany amin’ny tontolon’ny fakana sary sy horonan-tsary. Amin’izao fotoana izao dia efa fanta-daza amin’izay talenta sy fahaizana mikirakira sary sy raki-tsary izay izy aty amin’ny renivohi-paritra Haute Matsiatra ary efa maro ireo olona miara-miasa aminy sy ny sehatra ahitana azy.


Ny taona 2020 ka hatramin’izao dia i Marc no maneho an-tsary ireo atrik’asa rehetra amin’ireo sekoly 51 iasan’ny tetik’asa Projet Jeune Leader.** Mitety ireo sekoly ireo izy, mandraikitra an-tsary ny sahan’asa mahafinaritra tanterahan’ny Jeunes Leaders eny an-tsekoly mba hahafahana maneho izany ho an’ireo tsy afaka manatrika mivantana. Manosika azy hankafy io asa io ny fahatsapany fa efa niainany ireo zavatra asehony an-tsary ireo. Mahafinaritra azy ary ahatsiarovany ny fotoana naha Jeune Leader azy ny fifandraisany amin’ireo zatovo mpianatra marobe amin’ireo sekoly isan-karazany izay lalovany.


“Misy fotoana aho rehefa mahavita ny fakana sary ka manana fotoana mipetrapetraka ao amin’ny JL dia manantona ahy ny ankizy mpianatra miteny hoe ao mba ampianaro Echec, na ampianaro mille borne.”

Ary ankoatra izay dia lasa fialamboly ho azy ny fitetezana ireo sekoly maro samihafa ireo satria betsaka amin’ireo no toerana sambany vao hitany.


Tanora manana ny maha izy azy tokoa i Marc satria manana tanjona ambony izy ary tsy mijanona fotsiny amin’ny hoe efa tsara ny vita fa mikendry hatrany ny ambony indrindra, izany koa no maha mpiatrika azy.


*Tamin'ny evaluation d’impact (Données qualitatives)

**I Marc no naka ireo sary rehetra hita ao amin'ny siteweb ny PJL.

bottom of page