top of page
  • Photo du rédacteurLalaina Rafanomezantsoa

Mivoatra am-pahatokiana : ny làlana nodiavin’i Mamisoa




 Ankehitriny, azo lazaina fa manomboka mihetsiketsika tokoa ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa ary maro amin’izy ireo no mahita fahombiazana amin’izany. Manasa anao ary aho hanaraka ity tantara iray tena miavaka ity, tantarana vehivavy iray izay nanomboka niasa ho animatrice-éducatrice tena mavitrika tato amin'ny Projet Jeune Leader. Izy izay nahavita nihoatra ireo sakana samihafa am-pitiavana sy am-pitsikitsikina hatrany.


Tsy iza moa izany fa i Mamisoa Rasoanantenaina, Responsable technique an’ireo enseignants-stagiaires antsoina hoe « Mpanabe Jeune Leader » ao amin’ny Projet Jeune Leader.


Fiatombohana mahavelom-panantenana : tonga Jeune Leader


Tamin’ny taona 2015 i Mamisoa no niditra ho lasa animatrice-éducatrice na koa atao hoe Jeune Leader tao amin’ny Projet Jeune Leader, ary ny nampiavaka sahady azy tamin'izany ny fahavitrihany sy ny fahavononany.


Tao amin’ny CEG Rakotozafy Alphonse, kolejy lehibe iray ao afovoan-tanànan’i Fianarantsoa no nanatanterahany ny taona voalohany naha animatrice-éducatrice azy. Noho izy mbola tena tanora sy kely ara-batana, araka ny nambarany, dia nanana fanahiana izy mahakasika ity traikefa vaovao ity. Noho ny herijikany sy ny fikirizany ary ny hatsaram-panahiny dia nahavita nametraka ny fifanajana izy tamin’ny fihainoana ireo mpianatra sady nampita tamin’izy ireo antsakany sy andavany ny fanabeazana maha-olom-banona novolavolain’ny Projet Jeune Leader.


Mamisoa,2015

Ny taona faharoa, tontolo hafa tanteraka indray no hitan’i Mamisoa tao amin’ny CEG Ambalakely, tanàna kely iray any ambanivohitra, izay tsy ahitana loatra loharanon-karena sy sampan-draharaha. Izany traikefa izany dia nanamafy ny fahareseny lahatra hanome izay tsara indrindra avy aminy amin’ny fanohanana ireo tanora ireo mba hahafahan’izy ireo mivelatra sy hanatratra ny tanjony, ka hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana ho an’ny firenena. Anisan’ny nandray anjara tamin'ny fanatraran'ny fikambanana ireo tanjona ara-pitokisana, ara-paharetana ary ara-kalitao i Mamisoa rehefa nivelatra amin’ny maha mpitarika azy izy.


Nivoatra hatrany ny fiainana arak’asan'i Mamisoa rehefa tafiakatra ho Superviseur izy aloha ary avy eo lasa Coordinatice pédagogique tato amin’ny Projet Jeune Leader. Ireo mpiara-miasa aminy dia resy lahatra avokoa ny hafanam-pony sy ny fahaizany mandrisika ny hafa hanome ny tsaratsara kokoa foana.

« Tiako ny nianatra fahaiza-manao vaovao, fa ambonin’izany, mahatsiaro nahazo tombony aho tamin’ny fanohanan’i Hanitra sy Chrystian, izay superviseur-ako tamin’izany, izay nanohana ahy nandritra ny dingana rehetra », hoy izy ami-pitsikina sy feno fankasitrahana.

Ny sedra arak’asa voalohany : Mamisoa, Responsable Technique Régionale Haute Matsiatra


Isaky ny misitraka fisondrotana arak’asa dia misy fatram-panahiana vaovao foana mitranga tao amin’i Mamisoa. Vokatr’izany, rehefa nasondrotra ho Responsable Technique Régionale izy, dia nahatsapa tahotra noho ny fitomboan'ny andraikiny.


Ny andraikitra fototra nosahaniny tamin’izany dia ny fifantenana, ny fanofanana ary ny fanaraha-maso animateurs-éducateurs miisa 22 tao amin’ny faritra Haute Matsiatra. Amin’ny efa naha animatrice-éducatrice ny tenany teo aloha dia tsy misy vina amin’i Mamisoa intsony ny mamantatra ny filàn’izy ireo ary ny hikaroka ny fomba hanohanana azy ireo mandritra ny asa rehetra izay hosahaniny.





Na izany aza, tsy mora tokoa izany hoe mitantana ekipa iray manontolo izany. Tsy nanaiky ho resin'ny tahotra anefa i Mamisoa fa noraisiny tamim-paharesen-dahatra tanteraka ny fanamby! Ny toetrany mahay miombom-pihetseham-po sy ny talentany amin'ny lafiny fifandraisana dia lasa singa miavaka iray, izay nanampy azy nanova ireo tahotra teny am-piandohana ho lasa traikefa sy tombony ho azy. Nahitam-bokany tokoa ny fahaizany nifandray tamin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra toa ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Cisco, ny Dren, ny Zap ary indrindra ny Talen-tsekoly sy ireo animateurs-éducateurs.


Nandritra ny fihaonamben’ny mpiara-miombon’antoka tany amin’ny faritra Haute Matsiatra tamin’ny taona 2021 izay nisoloany tena ny ekipa Projet Jeune Leader, dia nihaona tamin’ny lehiben’ny Foibem-paritry ny Ivon-toeram-piofanana mpampianatra rezionaly Mahazengy (CRINFP Mahazengy) izy izay niteraka voka-tsoa, ka tena naharesy lahatra ity farany ny vina sy ny asan’ny fikambanana taorian’io fihaonana io.


Taorian’izay dia nitsiry ny hevitra hanitàrana ny asan'ny Projet Jeune Leader miaraka amin'ny fanohanan'ny CRINFP. Tao anatin’izay taona maro niketrehana ny fomba rehetra hoentina hampiroboroboana ny fanabeazana maha-olom-banona teto Madagasikara izay, dia natomboka arak’izany ny fandaharan'asa Mpanabe Jeune Leader. Ity fiaraha-miasa vaovao ity dia mikendry ny hampiofana ireo enseignants-stagiaires avy amin’ny CRINFP mba ahafahana mametraka ilay modelim-panabeazana maha-olom-banona any amin'ireo sekolim-panjakana sasany any amin’ny faritra tena ambanivohitra.


Moa fantrao ve ny zavatra nitranga nanomboka teo? i Mamisoa no lasa tompon'andraikitra voalohany amin'ny fandaharan'asa Mpanabe Jeune Leader !


Nanao mihoatra ny heveriny ho vitany izy : Lasa Responsable Technique ny programan’asa Mpanabe Jeune Leader


Nitazona ny andraikiny i Mamisoa ary nisedra ireo karazana fahasarotana teo amin’ny sehatry ny asa amin'ny maha Responsable Technique Mpanabe Jeune Leader azy, izay fandaharan'asa manan-danja ary tena nanamarika ny fitombon’ny seha-piasan’ny Projet Jeune Leader ka nahafahana nampitombo avo roa heny ny tanjony tao anatin'ny 12 volana monja.


Nivangongo ny andraikitra, ary matetika sahanin’i Mamisoa miaraka ireo asa manan-danja isan-karazany. Na dia teo aza izany dia tsy nampihemotra azy izany ka mainka noraisiny ho fanararaotra tsara ho azy satria nahafahany nampitombo ny fahaiza-manaony momba ny fitarihana, ny fitantanana fotoana, ary ny fahaizany mamaha olana izany rehetra izany. Nanamafy hatrany ny fahatokisan-tenany hatrany ireo dingana rehetra izay nolalovany.  


Raha vao nanomboka iny ny fandaharan’asa dia nahatsikaritra ny fisalasalan’ny enseignants-stagiaires manoloana ny modelim-pampianarana natolotry ny Projet Jeune Leader i Mamisoa. Noho ny traikefa izay nananany sy ny fahaizany manokana amin’ny lafiny serasera anefa dia afaka nandresy lahatra ireo enseignants-stagiaires andiany voalohany miisa 113 izy mahakasika ny fahombiazana sy ny fiantraikan’izany fandaharan’asa izany. Vokatr’izay, tena lasa narisika tokoa izy ireo hampihatra ilay modely fanabeazana maha-olom-banona, ary resy lahatra amin'ny fanovana entin’izany. Ankoatr’ireo tanjona napetraka tamin’ny animateurs-éducateurs, dia 85%-ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa ao amin’ny faritra Haute Matsiatrano voakasiky ny Projet Jeune Leader tamin’ity taona ity.  

« Tamin’ny voalohany ilay izy sarotra , somary tsy mbola resy lahatra ireo enseignants-stagiaires saingy rehefa nantitranterina ny tanjona sy ny votoatin’ilay modelim-panabeazana, dia vitako ny nandrisika azy ireo, ary ankehitriny resy lahatra kokoa izy ireo rehefa nahita mivantana ny vokatry ny asany. »



Tratra ireo tanjona : mizotra ho any amin’ny tanjona lavi-trezaka !


Mamisoa, Mihaja sy Ando

Ny Projet Jeune Leader dia nikendry ny hahatratra mpianatry ny CEG miisa 50.000 ho an'ny taona 2020-2023. Nihoatra noho ny tanjona napetraka no tratra noho ny fampiharana ny programa Mpanabe Jeune Leader satria tanora efa ho 56.020 no efa nisitraka izany tamin'ity taona ity!

Vokatry ny fifanakalozan-kevitra miabo azo niarakatamin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity taona voalohany ity, dia tena azo antoka sahady fa tsy maintsy mbola ho tsara hatrany ny vokatra, ary efa miandry sahady ireo adiana enseignants-stagiaires manaraka. Ho tanteraka ny nofinofin’ny Projet Jeune Leader raha izao no mitohy satria ny hahakasika ny tanora malagasy rehetra no tanjona !


“Tena afa-po tanteraka aho ary tena mirehareha fa nandray anjara tamin'ny fanatrarana ny tanjona napetraky ny Projet Jeune Leader. Tsapako ny fiovana miabo entin'ny Projet Jeune Leader ho an'ny tanora ary efa faniriako hatrizay ny hanome ny tsara indrindra avy amiko mba hamahana ny olana sy hanatrarana ireo tanjona napetraka. Mirary fahombiazana ho an’ny fikambanana aho ary ambonin’izany rehetra izany, maniry ihany koa ny ahafahan’ny ireo faritra hafa eto Madagasikara misitraka fampiofanana tahak’izao. Vonona hatrany koa aho hiatrika fanamby vaovao ! »

Nivadika ho traikefa sy fahaiza-manao tsy mana-paharoa ireo taona maro niasan’i Mamisoa raha tsy hitanisa fotsiny ny fahaiza mitantana tetikasa goavana, ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra stratejika, ary ny haitarika na antsoina hoe leadership. Hita taratra tao anatin’ny lahateniny ny hafanam-po sy ny fitiavany ny asany ary ny fitiavany manokana ny Projet Jeune Leader.


Maro dia maro ny lesona azo tsoahina amin’ny tantaran’i Mamisoa raha toa ka maniry hanatratra tanjona lavitr’ezaka ianao amin’ny asanao. Hita soritra tao anatin’izany ny maha-zava-dehibe ny faharetana, ny fikirizana ary ny fikatsahana hatrany ny lafatra. Asehony amintsika fa ao anatin’ny mangidy no ahitana ny mamy, ary ao anatin’ny faharetana no hitovozana ny fahatokisa-tena.


Izay no izy ka avelako ianareo haka sary an-tsaina ny tohin'ny tantarany …

bottom of page