top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Ahoana no ahafahanay manohana bebe kokoa ny Jeune Leader?


Three Projet Jeune Leader Educators posing for a photo and smiling in rural Amoron'i Mania region in Madagascar.

Tolotra fanohanana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po ho an'ny zatovo


Tany am-piandohan'ity taona ity, ny tetikasa Projet Jeune Leader dia nanao ezaka hanatsarana ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po ho an'ny tanora zatovo any ambanivohitra. Niara-niasa tamin’ny Omena izahay, fikambanana miasa amin’ny fandravana ny tsingerin’ny fanararaotana ara-pihetseham-po eto Madagasikara.


Ny tanjona kely sy faharoa amin'ny tetikasa dia ny hitandro ny filaminana ara-tsain’ny Jeune Leader izay manohana mivantana ireo tanora ireo.


Raha ny tena marina, ity ampahany amin'ny tetikasa ity dia nanjary zava-dehibe ary nisy fiantraikany bebe kokoa mihoatra noho ny noeritreretinay tany amboalohany.


Iray amin'ireo tolotra lehibe omen'ny Jeune Leader ny fanomezana fanohanana, izay firesahana torohevitra tsiambaratelo. Nandritra izany, dia nanolotra toerana azo antoka sy tsy misy fitsarana ho an'ny zatovo izahay mba hiresaka momba ny olana na hangataka torohevitra. Noho ny fifandraisana mahatoky izay ambolen’ny Jeune Leader amin'ny mpianany, dia matetika izy ireo no olona voalohany itodihan'ny zatovo mpianatra mba hahazoana fanampiana sy fanohanana rehefa sendra olana eo amin'ny fiainany. Hitantsika fa azo tarafina izany amin'ny fahamaroan’ny filana toro-hevitra: tamin'ny taom-pianarana 2021-2022, ireo Jeune Leader 56 ny Tetikasa Projet Jeune Leader dia nanatanteraka firesahana 13.500 isa tamin’ny mpianatra momba ny olany manokana.


Fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny faharetan’ny Jeune Leader any ambanivohitr’i Madagasikara


Maro amin'ireo olana taterin’ny mpianatra amin’ireo Jeune Leader no azo lazaina hoe mora kokoa, ny disadisa amin'ny namana, ohatra, na ny fanontaniana momba ny fadimbolana. Ireo Jeune Leader dia mandray tranganà herisetra mampalahelo sy fanararaotana mahery vaika ihany koa, olana izay mbola manjaka (ary lasa takaitra) any ambanivohitr’i Madagasikara.


Ny fanamby sarotra sy miavaka amin'ity asa ity dia toa mametraka ny jeune Leader ho tandindomin-doza, hiaritra fahafoizan-tena manimba, sy ratra anaty. Kanefa raha ny marina ireo Jeune Leader ireo dia, olombelona toy ny olon-drehetra ihany, tanora manana ny nofinofiny manokana sy ny fihetseham-pony, mitondra ny andraikitra goavana amin'ny fanohanana ireo zatovo marefo amin'ny asany andavanandro.


A Projet Jeune Leader Educator speaking to a group of adolescent students outdoors on a school yard in rural Madagascar.

Fiarahamonina mpanohana matanjaka


Ankoatra ireo fanomezana fiofanana manokana momba ny fanohanana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po izay natao tamin'ny fiandohan'ny taom-pianarana, dia nanome "fampiharana iombonana" ho an'ny Jeune Leader 16 ao amin'ny faritra Amoron'i Mania izahay, izay miasa sy mipetraka any amin’ireo sekoly mpiara-miombon’antoka sasany any ambanivohitra.


Nandritra ny taom-pianarana dia nanatanteraka fampiharana iombonana izahay izay notarihin’ny Omena, ary namory matetika ireo Jeune Leader. Izany dia nahafahan'ny Jeune Leader namelombelona indray ny fahaiza-manao nianaran’izy ireo tamin'ny fiofanana, nizara ny fomba nampiharana sy nampiasana ireo fitaovana ireo, ary namolavola ny traikefany tao amin'ny fampiharana iombonana izay misy fanohanana sy mahatoky.


Ity fianarana sy fanohanana mitohy ity dia nanamafy ny fahafahan'ny Jeune Leader hamaha ny olan'ny mpianatra. Araka ny fanehoan-kevitry ny iray amin'ireo Jeune Leader, "Nanampy ahy betsaka tamin'ny asako ny fampiharana iombonana satria ankehitriny dia azoko kokoa ny momba ny fanararaotana ara-pihetseham-po. Izany dia nanampy ahy hanazava izany amin'ny olon-kafa sy hanatsara ny fomba fiasako hanohanana ireo mpianatra niaina izany."


Ny fiofanana sy ny fampiharana iombonana dia nampiova ny ankamaroan'ny Jeune Leader ihany koa.


Misy fomba fiteny eto Madagasikara ny hoe: "Ny tokantrano tsy ahahaka." Izany dia midika hoe "Izay mitranga ao an-trano, dia mijanona ao an-trano." Tsy fahita firy ny fifanakalozan-kevitra misokatra momba ny fahasalamana ara-tsaina sy ny olana momba ny fanilikilihana. Izany indrindra anefa no navoaka tamin’ny fampiharana iombonana.


A group of Projet Jeune Leader Educators sits outside in a circle as a facilitator from Omena speaks.
A community of practice session with Projet Jeune Leader's Educators facilitated by Omena.

Fampiharana iombonana niaraka tamin'ny Jeune Leader ny tetikasa Projet Jeune Leader izay notarihin’ny Omena.


"Rehefa nisy olona iray nizara ny traikefany, ny hafa tao anatin’ny vondrona dia naneho fahalianana sy, famporisihana ny Jeune Leader hizara ary nanohana azy ireo," hoy ny iray tamin'ireo mpanentana ny fampiharana iombonanana tamin’ny tatitra momba ny fivoriana. “Mavitrika sy mazoto ny Jeune Leader isaky ny misy sahan’asa atao. Nanomboka nifampizara ny faharefoany ny tsirairay.”

Tao amin'ny fanehoan-kevitr’izy ireo rehefa nifarana ny tetikasa, ny ankamaroan’ny Jeune Leader dia nilaza fa ny fampiharana iombonana dia toy ny fitsaboana, satria nanampy azy ireo hifehy ny fihetseham-pony sy hanova ny fomba fisainany. “Nanova ny fitondran-tenako [ilay fandaharana] ary nanampy ahy hahafantatra ny tenako. Nanome fahavitrihana ahy be dia be izany, nanampy ahy hahita ny soatoaviko, hanapa-kevitra momba ny tanjoko, ary ho afaka hametraka fetra”, araka ny nosoratan’ny Mpanabe iray. “Nahazo fitaovana hifehezana ny adin-tsaina aho, hitantana ny fihetseham-po”, hoy ny fitantaran'ny iray hafa.


Faharetan'ny tena manokana mba hivoatra amin'ny fomba matihanina


Ireo fahaiza-manao sy fanohanana eo amin'ny samy olona ireo dia tena zava-dehibe ho an'ny fivoarana sy ny filaminan-tsainan’ny Jeune Leader, izay inoanay fa fototry ny fahasalamana sy ny fivoaran’izy ireo ho matihanina arak’asa. Miaraka amin'ny fitaovana vaovao hanohanana ny mpianatra sy hikarakarana ny tenan’izy ireo, tohanan'ny vondrom-piarahamonina matanjaka, ny Jeune Leader dia nahatsapa fa nihena ny fanerena ara-pihetseham-po sy ny tambin’ny asa.


Na dia nanao io ezaka io aza izahay hifantoka tanteraka tamin'ny tolotra fanohanana omen'ny Jeune Leader ho an'ny tanora, dia nahazo tombony maro teo am-panatanterahana izany satria lasa nahita ny fomba hanohanana bebe kokoa ny Jeune Leader amin'ny asa sarotra tanterahan’izy ireo. Tianay ny manome antoka fa tsy manampy azy ireo hikarakara ny mpianany fotsiny izahay - fa manampy azy ireo hikarakara ny tenany sy ny hafa ihany koa.


 

Ny fiaraha-miasan’ny Tetikasa Projet Jeune Leader sy Omena dia notohanan’ny USAID/Youth Excel’s “Global Grant Competition ho Fampandrosoana ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana amin’ny alalan’ny Firaisankina ara-tsosialy eo an-toerana”.

 
Vakio ny ampahany voalohany amin’ny tantara, izay mizara ny fomba nanatsaranay ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po ho an’ireo zatovo marefo any ambanivohitr’i Madagasikara.




A Projet Jeune Leader Educator wraps her arm around a middle school student in Madagascar during a counseling session.

bottom of page