top of page
  • Photo du rédacteurLilie Randrianasolo

Mihaja, tanora mavitrika sy mikiry nikaroka fahalalana sy fahaizana

Sehatra sy lafin-javatra maro no ipoiran’ny fahaiza-manao - eo amin’ny fianarana, eo amin’ny asa, eo amin’ny fiainana andavanandro.


Tanora 25 taona i Mihaja, mahatsapa izy fa ilaina ny fahaiza-manao, ary tena manana izany ny tanora malagasy.


Tovolahy navitrika izy, ary vao 17 taona teo izy no nanomboka nitana andraikitra tany anaty fikambanana na fivondronana tanora nisy azy.


Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Bakalorea izy, dia nanam-paniriana ny hanohy hianatra hatrany. Nisafidy ny hianatra sy hiasa izy satria te hanamaivana ireo ray aman-dreniny amin’ny saram-pianarana.


Rehefa 21 taona izy dia nifaninana ho anisan’ny andiany fahatelo tamin’ny Jeunes Leaders tato amin’ny Projet Jeune Leader. Io no asa raikitra nataony voalohany, sy nidirany tamin’ny sehatra hoe miasa izany.


Nananosarotra ho azy ny sady miasa no mianatra ; nefa nankafiziny koa izany sedra kely natrehany izany. « Nahia kely aho tamin’izay satria miasa amin’ny atoandro dia mianatra amin’ny alina. Rehefa ora fiasana dia miasa, fa raha vao tsy miasa dia mianatra. Tsy asiako fotoana very izany na amin’ny atoandro isakafoanana aza dia sady mianatra aho » hoy i Mihaja mitantara.


Miaina anaty tontolo mampivoatra hatrany ireo tanora Jeunes Leaders, satria na sarotra aza izany mianatra sy miasa dia mampiseho fahavononana sy fahavitrihana izy ireo. Ny fampianarana ny fahaiza-mitarika sy ny fiainana maha-tanora, ny périscolaire, ny counseling anomezana torohevitra ny tanora mila tohana manokana, ireo no mameno ny herinandro ijanonan’ny Jeunes Leaders eny amin’ny CEG.

Ho an’i Mihaja dia fahafinaretana sy tsikitsiky lalandava izany mankeny amin’ny CEG ka hoy izy hoe « Tena nahafinaritra ny teny, falifaly aho rehefa tonga eny amin’ny CEG ».

Tanora maro no toa an’i Mihaja, liana hanohy hianatra nefa tsy ampy ny hoenti-manana, ka mirotsaka amin’ny sehatry ny asa. Te hanampy ireo tanora tsy an’asa ireo ny Projet Jeune Leader ka mandray sy mampiofana ary mampiasa tanora maro hanome tohana ny tanora hafa.


Hatramin’ny niatombohan’ny asa fanabeazana nataonay ny taona 2013, dia tanora maherin’ny 170 no nanaraka fiofanana, nampianatra sy nanome tohana ireo zatovo eny amin’ny ambaratonga faharoa tato amin’ny faritra Haute Matsiatra, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra.


Manome fahafahana ireo tanora ireo hiditra amin’ny sehatry ny asa izahay, ka na tsy manana fahaiza-manao manokana aza, na koa mari-pahaizana ambony, dia misitraka fiofanana feno sy tena matihanina izy ireo. Afaka maneho ny fahaizana sy fahalalana norantoviny koa ireo tanora Jeunes Leaders ireo, ka miditra ho Staff ato amin’ny Projet Jeune Leader.


Niasa teny amin’ny kolejy i Mihaja nandritra ny taom-pianarana roa nifanesy, ka rehefa nifaninana ho « Assistant de programme » izy dia voaray soa aman-tsara. Nampiseho fahaizana sy fahamatorana hatrany izy, ka na mbola tanora 25 taona monja izy izao dia efa zadraharaha sy matihanina tokoa amin’ny asany. Nanampy izany ireo fampitomboana traikefa omenay ny tanora miasa ato aminay, mba hampivoatra hatrany ny asa.

Amin’izao dia Coordinateur Suivi Evaluation et Programmes Spéciaux ato amin’ny Projet Jeune Leader izy.


Matetika no mila makeny amin’ireo CEG mpiara-miasa izy manao fanadihadiana na manao sahan’asa hafa. Nitady fomba hatrany izy hanamora ny fifandraisana amin’ireo mpianatra, indrindra ireo any ambanivohitra. Nitady anaram-bositra hiantsoan’ny ankizy azy i Mihaja, « Lazaiko ny ankizy fa i Zozimena no anarako, ary vetivety foana dia manantona izy ireo ». Amin’ireo sekoly ambanivohitra iasanay dia efa mahafantatra azy avokoa ny ankizy amin’izay anaram-bositra izay.


Tsy nitsahatra nitady ny fomba rehetra ihoarana ny olana na sakana misy eo amin’ny fiainany i Mihaja. Fampitomboana fahaiza-manao na koa fikafika maro isan-karazany hialana ny sedra, tahaka ny nahazatra azy hatramin’ny mbola mpianatra dia tsy misy fotoana very ho an’i Mihaja.


Toy ny tanora maro eran-tany dia zava-baovao ho azy ny fihibohana vokatry ny valan’aretina covid-19. Tsy nataony sakana izany fa nitady fomba hatrany izy hanampy ny traikefa efa ananany sy nianatra fahaizana vaovao. Hoy izy « Izay olona rehetra manana fahaiza-manao dia ifampiresahako, ifanakalozako mba hampitombo ny haiko ».


Mino izahay ato amin’ny Projet Jeune Leader fa maro ireo tanora no manana traikefa sy fahaiza-manao. Ary irinay ny hanomezana ny tohana rehetra azonay atao mba hampivoatra hatrany ny tanora, satria izany rahateo ny tanjonay, hanampy ireo tanora hanorina hoavy mamiratra sy anaty fahasalamana.




bottom of page