top of page
  • Photo du rédacteurLilie Randrianasolo

Iray andro miaraka amin’i Hanitra

« Isa-maraina dia mamaky na mijery hatsikana kely amin’ny tambazotran-tserasera aho hanombohako ny tontolo androko ; faranako amin’ny torohevitra sy fahalalana mikasika ny « developpement personnel » na teny anglisy izany ny hariva ».

Hanombohany ny tontolo androny dia mikarakara ny tenany i Hanitra, miaraka amin’ny kafe kely misy ronono izany. Rehefa vita omana izy dia manomana ny zanany indray izy hamonjy ny sekoly. Mipaika ny amin’ny 7ora sy 30, dia eny ambavahadin’ny lakilasy ny zanany vavy, lala ampahefa-kadiny miala ao an-trano; izay izy no mamonjy ny birao indray. Hanomboka ny tontolo andro amin’ny maha Responsible Technique Régionale Vakinankaratra azy i Hanitra.


Hanitra

« Isa-maraina dia mamaky na mijery hatsikana kely amin’ny tambazotran-tserasera aho hanombohako ny tontolo androko. Maka 5 minitra kely aho hitsikiana na hihomehezana mihitsy aza. Mampisokatra ny saiko sy mampifantoka ahy amin’ny asa izany. Rehefa izay vao mandray ny agenda misy ny asa hataoko ho an’ny andro androany aho. Na eo aza ny zara asa ho an’ny herinandro dia mampiasa ilay zara asa isan’andro koa aho hanoratako ny asa atao. Tsara ery ny manipika azy tsirairay rehefa vita ilay tanjona napetraka. Faly aoka izany aho manipika ny andalana faha 5 rehefa 8 iny ny tanjona napetrako! » hoy izy mitantara am-pitsikiana.


Rehefa miasa ao amin’ny biraon’ny Projet Jeune Leader Antsirabe i Hanitra dia amin’ny 5ora no mirava. Raha mandeha any amin’ny ireo kolejy izy manome tohana ireo tanora mpanentana ato amin’ny Projet Jeune Leader, indrindra any amin’ny sekoly ambanivohitra, dia taratara noho izay vao mirava, reradreraka ny lalana ratsy sy mikitaotaona. Saingy vao mahita ny tsikin’Idealy zanany izy rehefa miditra ny trano dia misinda avokoa izany.



Iray amin’ireo tanora mpanentan’ny Projet Jeune Leader tranainy indrindra i Hanitra. Ankehitriny dia mandrindra sy manome tohana tanora ireo tanora mpanentana 18 amin’ny faritra Vakinankaratra izy. Nahazo andraikitra hafa fanampiny izy fotoana vitsy izay amin’ny lafiny ady sisika na plaidoyer sy ny fifandraisana amin’ny mpisehatra na mpiara-miombon’antoka hafa. Izy tokoa manko no miandraikitra ny lafiny teknika amin’ny fifandraisana amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Noho ireo andraikitra ireo dia misy fotoana izy mbola manohy mifanakalo hevitra sy midinika amin’ny mpiara-miasa, na mamaky sy manara-maso antontan-taratasy ilaina maika ; eny na amin’ny hariva aza. Mety hampikorontona sy hampisy rarintsaina ihany izany fa nahita fikafika izy hahafahany manao ny asany tsara ihany.


« Mba tsy hampikorontana na hampiasa saina be loatra ahy, dia nitady fikafika aho. Maka fotoana ho ahy foana aho rehefa mifarana ny tontolo andro, miresadresaka miaraka amin’ny namana sady misakafo, miaraka amin’ny tso-drivotra rehefa folak’andro iny. Tsy misy fomba tsara mihoatra izany hamaranana ny tontolo andro » hoy izy.


Vehivavy mihetsiketsika sy tena tia ny asany raha i Hanitra. Rehefa manana tanjona tratrarina izy dia tsy mamela mora izany raha tsy mahazo valiny mahafapo. Ho azy dia ilaina ny manana olona maha te haka tahaka sy manoro hevitra handroso hatrany. Mazana dia i Hanitra no zandriny indrindra amin’ny vondrona miady hevitra na miara-miasa, saingy mora aminy ery ny mifandray sy maka ny fahatokisan’ny vondrona, ary tsy mitaky ezaka goavana aminy izany fa toa mandeha ho azy ery. Mitady fahalalana sy fahaiza-manao vaovao foana izy. Ny « développement personnel » sy ny teny anglisy indray no zava-baovao hitany sy tiany hianarana.


« Amin’ny alina ao anaty fandriana, dia mifantoka kokoa ny saiko mamaky na mijery horonantsary miresaka fahaiza-manao vaovao tiako ho hay. faranako amin’ny torohevitra sy fahalalana mikasika ny « développement personnel » na teny anglisy ny tontolo androko ny hariva. Izay ny tanjona manaraka apetrako izay, hiteny tsara ny teny anglisy” hoy izy namarana ny resany.


Soava ny alina Hanitra, ary misaotra ny filofoanao ho an’ny Projet Jeune Leader!

bottom of page