top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Gazety EKO sy pejy Tamberina, ho fanatsarana hatrany ny tolotry ny PROJET JEUNE LEADER


Ny tetikasa, toy ny ezaka rehetra atao, dia ilaina tombanana ahafantarana raha nahatratra ny tanjona nokendreny na tsia. Izany no ahafahana mamaritra ireo lafiny efa tomombana ka hamafisina orina sisa, sy ireo lafiny mbola mila fanatsarana.


Mandray an-tanana tanteraka ny adidiny eo anatrehan’izany ny PROJET JEUNE LEADER noho izy mahatsapa tena ho tompon’andraikitra manoloana ireo mpisitraka ny tolony.


Izany indrindra no amokarany ny gazety EKO izay mivoaka isam-bolana. Ny gazety EKO dia kofehy ifandraisan’ny tetikasa sy ifanakalozany hevitra amin’ireo kolejy sy sehatra rehetra miara-miasa aminy ary zaraina maimaim-poana eny amin’izy ireny.


Nohezahina ho tsotra sy hahaliana ny gazety EKO mba ho mora vakiana sy ho mora raisin’ireo rehetra mampiasa azy. Tafiditra anatin’izany ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, ny mpampianatra sy mpandraharaha sekoly, sy ireo mpiara-miasa hafa.


Ao anatin’ny gazety EKO no amelabelarana amin’ny antsipiriany ny asan’ny PROJET JEUNE LEADER, izany hoe, ireo lohahevitra sy sahan’asa rehetra izay tanterahina eny enivon’ny kolejy. Ao ihany koa no izarana ny vaovao momba ny PROJET JEUNE LEADER sy ireo programan’asa ho tanterahana ary ireo hetsika rehetra tontosaina.


Nomena anjara fitenenana manokana ao amin’ny gazety EKO ireo mpisitraka ahafantarana misimisy koakoa ny hevitr’izy ireo manoloana ny sahan’asa izay atao. Ilay pejy farany atao hoe « Tamberina » no ahafahan’ny mpisitraka mamboraka ny zavatra niainany sy mizara ny fomba fijeriny manoloana ireo tolotra rehetra omen’ny tetikasa.


Azon’ny mpianatra atao manko ny mitondra ny gazety mody. Any an-trano, dia afaka mampiasa izany ny ray aman-dreny anoratana tamberina any amin’ny tetikasa. Tsy voafetra ary malalaka ny fahafahan’ireo mpisitraka manoratra fanamarihana sy soso-kevitra momba ireo tolotra rehetra omen’ny PROJET JEUNE LEADER.


Rehefa voarain’ny tetikasa izany tamberina izany dia ifampidihanan’ireo EKIPA izany ka ao amin’ny gazety EKO ihany no andefasana ny valiny. Ampahafantarina an’ireo mpisitraka amin’izany fa voaray ny tamberina nalefany ary lazalazaina aminy ireo fepetra ho raisina manoloana izany, raha misy.

Tena zava-dehibe ny fisian’ny gazety EKO satria ireo tamberina ireo dia ahafahana manao tombana ny asa vita sy mampivoatra hatrany ny fomba fiasa. Miantoka ny fangarahararan’ny tetikasa koa ireo tamberina ireo, satria ny fifanakalozana no nahatonga ny asa rehetra atao sy ny tanjona ifotorana hazava tsara amin’ny mpisitraka.


Hita taratra tokoa fa miampaka amin’ny mpisitraka izany fifampiresahana izany satria tsy mionona fotsiny milaza ny fahafaha-pony amin’ny asa atao izy ireo. Manohana ara-kevitra koa ry zareo ary manampy amin’ny fanovana hanatsarana ny kalitaon’ireo tolotra omena.


Tao anatin’ny taom-pianarana 2018-2019 dia naharay tamberina 776 ny tetikasa ary mihoatra ny in-4200 no nitondran’ireo ankizy eny amin’ny sekoly 16 iasan’ny tetikasa nody ny gazety EKO


Porofo mivaingana izany fa manamafy ny fifandraisana misy eo amin’ny PROJET JEUNE LEADER sy ny mpisitraka ny gazety Eko. Tsapan’izy ireo fa mandray andraikitra aminy ny tetikasa. Matanjaka kokoa ny tetikasa satria misy ireo singa fototra manohana azy amin’ny alalan’ny gazety EKO.



bottom of page