top of page
  • Photo du rédacteurLilie Randrianasolo

Fantatrao ve fa tena tanora mana-talenta sy mpitarika tokoa ireo Jeunes Leaders ?



Telo taona izay no naha tanora mpanentan’ny Projet Jeune Leader na Jeune Leader an’i Andry sy Ronny, raha roa taona kosa izay no Jeune Leader an’i Sandrine sy Ravaka. Zava-baovao ho azy efatra mianadahy izany manatanteraka asa amin’ny maha Jeune Leader, ivelan’ny sekoly sy ny tanana iasany izany. Somary natahotra kely izy efatra mianadahy raha nilazana fa hisolo tena ny Jeunes Leaders namany sy ny Projet Jeune Leader mihitsy any amin’ny Zaikaben’ny tanora 2021 nokarakarain’ny CRS sy YouthFirst Madagascar. « Ahoana moa Lilie izany hoe représenter Projet Jeune Leader ? Misy zavatra tokony omaninay ve ? » hoy mihitsy i Ronny rehefa nilazana fa hoany amin’ny fivoriamben’ny tanora.


Saingy nisinda ihany izany rehefa fantatr’izy ireo fa ny fanaony any amin’ny sekoly iasany ihany no atao any, izany hoe mitarika sy mizara fahalalana mikasika ny fahaiza-mitarika amin’ny tanora.


Ny andro voalohany dia efa nampiseho fahaiza-mitarika goavana ireto Jeunes Leaders ireto. Tsy nisalasala izy ireo nanatona ny tanora misolo tena avy ao Ambalavao, tanana nampiantrano ny hetsika. Iretsy farany koa faly nahita azy efatra mianadahy nandray aza sahady na dia vao 5 minitra no nifankahafantatra. Avy amin’ny faritra maro ireo tanora nanatrika ity hetsika ity, fiteny maro samihafa no heno, tantara sy fifampizarana maro koa no hita sy re.


Nozaraina tany anaty vondrona misy tanora avy amin’ireo faritra maro ireo i Ronny, Andry, Ravaka sy Sandrine. Tany anaty asam-bondrona dia niavaka hatrany ny fihetsik’izy ireo: nihaino sy nifampizara tamin’ny vondrona, nanolotra hevitra sy nampifandray ny hevitrin’ny iray vondrona taminy, tena mpitarika tokoa. Na dia samy nanana ny fiteniny ny tanora dia niezaka nihaino sy nahazo – nanontany ny tsy azo – izy efatra mianadahy. Nifarana ny andro voalohany dia efa nanana namana vaovao, avy amin’ny faritra maro izy ireo.



Ny andro faharoa dia nitarika fifampizarana izy efatra mianadahy. Tanaty fahatokisantena no nanoloran’izy ireo ny fifampizarana mikasika ny fahaiza-mitarika. Na dia mbola tsy nataony izany nanofana tanora mitovy taona aminy izany dia noraisin’izy ireo am-pahatoniana sy fitokisana ny fanamby nomena azy. Nifantoka ny tanora 90 mpizaika, nandray anjara tamin’ny famaliana fanontaniana, nametraka fanontaniana, sy liana hahazo fahalalana hafa. Nandritra ny zaikabe dia mbola namaly ny fanontanian’ireo tanora toa azy mikasika ny fahaiza-mitarika izy ireo, teny am-pisakafoana, tany ampialana voly, tany anaty asam-bondrona rehetra tany. Ankoatra ny maha tanora mpandray anjara azy dia nampiseho ny maha mpitarika azy ireo Jeunes Leaders.



Liana tamin’ny kolontsaina sy fahalalan’ireo namany izy ireo, ka rehefa mialavoly dia tsy misalasala mianatra sy mampihatra fiteny vaovao, manandrana fahalalana vaovao toy ny fanodinana ny fako na recyclage, namantatra bebe kokoa mikasika ny fampiatiana, sns. Nalain-kisaraka tamin’ireo tanora namany izy efatra mianadahy nony nifarana ny zaikabe.


Zava-baovao miavaka amin’ny asa fanaony andavanandro no nataon’i Andry, Ravaka, Sandrine sy Ronny. Rehefa mampianatra eny amin’ny CEG manko ireo Jeunes Leaders dia toy ny zandriny no andraisany ireo mpianatra. Ity indray mitoraka ity dia tanora toa azy no nomeny fahalalana sy nizarany ny traikefa ananany. Noho ny olana ara-pahasalamana tokoa mantsy dia tsy afaka nanao fampizarana ankalamanjana sy fanentanana ivelan’ny sekoly ny Jeunes Leaders. Nefa mino izahay fa hain’izy ireo izany, ary tena vitany. Resy lahatra izahay fa maro ny fahalalana sy fahaiza-manao ananan’ireo Jeunes Leaders, ary nanaporofo izany ny fahaiza-miasa sy fahamendrehana nasehon’ireto tanora 4 mianadahy ireto.


“Akôfa …. Hengena ….. Sondrono…..”[1] hoy izy ireo namarana ny dia tao anaty hafaliana sy tsikitsiky.


[1] Fiteny Antandroy nianaran’ireo Jeunes Leaders nandritra ny zaikabe midika hoe « Alefa ….. Tohizo ….. Avereno indray …. »

bottom of page