top of page
  • Photo du rédacteurTahiry Anjarasoa

Jeunes Leaders Matianina Arak’asa: Hamafisina Matetika ny Fahaiza-Manao

Amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity dia “Jeunes Leaders” miisa 55 indray no miparitaka manome fanabeazana momba ny fahaiza-mitarika sy fahasalaman’ny tanora ho an’ireo zatovo mpianatra amin’ny CEG 50.


Ny tetik’asa Projet Jeune Leader dia tsy mijanona fotsiny amin’izay fanomezana tombony ho an’ny zatovo mpianatra izay; fa ao anatin’ny tanjona imasoana koa ny hamolavola tanora mpitarika maro sy hanome sehatra ny tanora amin’ny lafiny arak’asa.


Noho izany dia manofana tanora ho lasa Jeunes Leaders ny tetik’asa Projet Jeune Leader; satria ankoatra ireo atrik’asa omena eny an-tsekoly dia tokony ho modely fakan-tahaka eny anivon’ny sekoly sy ny fiaraha-monina izy ireo.


Mahazo fiofanana 2 volana ireo Jeunes Leaders ireo alohan’ny fidiran’ny mpianatra; aorian’izay dia mandray ny asa izay tanterahana eny amin’ny CEG izy ireo. Mampianatra, manoro hevitra, ary mampilalao ny mpianatra isan’andro mandritra ny taom-pianarana iray manontolo ny Jeunes Leaders.


Andraikitry ny tetik’asa araka izany ny manohana sy manampy azy ireo, manamafy hatrany ny fahaiza-manaony mba ho tena matianina arak’asa na ho an’ny tetik’asa izany na ny sehatra hafa hidirany rehefa any aoriana any.


Manditra ny taom-piasany, dia misy fihaonana matetika ireo Jeunes Leaders sy ny tompon’andraikitra ara-teknika (RTR) isaky ny faritra; manao fifampizarana ny olana atrehiny amin’ny fanatanterahany ny asany, miara-mitady vahaolana, mifampizara traik’efa sy fahaiza-manao ary manamafy izany. Io fihaonana io dia ahitana fanofanana amin’ny lohahevitra maromaro mandritra ny taom-pianarana.


Ohatra amin’izany:

  • Ny fitantanana ireo mpianatra mandritra ny cours

  • Ny “counselor” modely

  • Ny fitantanana sy famahana disadisa

  • Ny fifehezana ny raritsaina sy fandraisana fanapahan-kevitra

  • Ny herisetra sy ny zon’olombelona

  • Ny mahalahy sy ny mahavavy


Tamin’ity fiandohan’ny taom-pianarana ity ohatra, ny tompon’andraikitra teknika regionaly (RTR) dia efa nanomboka sahady nanome fiofanana mikasika ny paik’ady mahomby hoentina handaminana ny mpianatra. Nampahafantarina ireo Jeunes Leaders ireo ny karazana toetoetra ananan’ireo zatovo mpianatra sy ny vahaolana tsara indrindra handaminana azy ireo mba hanamora kokoa ny fampitana ny fanabeazana. Ho fampandraisana anjara ireo mpianatra tsy miteny mihitsy ohatra dia afaka atao ny fanomezana fahatokisan-tena azy sy hamporisihana azy amin’ny alalan'ny fandraisam-pitenenana.


Manampy betsaka ireo Jeunes Leaders amin’ny fanatanterahana ny asa ataony any an-tsekoly izany fiofanana izany. Hoy i Niaina Jeune Leader ao amin’ny CEG Ambalakely:


“Tamin’ny herinandro voalohany nandraisako mpianatra dia 6ème no noraisiko voalohany, nahatsikaritra aho fa misy ireo mpianatra vehivavy manao resaka an-jorony dia ohatran’ny mahatsapa voaelingelina aho tamin’ny nitondrako ny cours. Tamin’ny cours ny 4ème taorian’iny dia nampiasaiko ilay paik’ady nomen’ny RTR: vao niditra izy ireo dia nasaiko nipetraka mifanelanelana ny vavy sy lahy dia nilamina tsara tsy nisy intsony ireo mifampibitsibitsika manao resaka an-jorony”.

Mahatsiaro ho voatohana ihany koa ireo Jeunes Leaders noho ireo fanamafisana ara-pahaiza-manao matetika. Izany dia manampy azy ireo hiatrika am-pahatokisana sy am-pilaminana ny andraikiny eny amin’ny sekoly izay andefasana azy tsirairay, araka ny nolazain’ i Jeune Leader Onja miasa ao amin’ny CEG Talata Ampano:


“Mahatsiaro aho fa tsy mandeha irery amin’ny fiatrehana ny asa satria tamin’ny voalohany handray mpianatra aho dia nitebiteby. Fa rehefa avy nanao iny fanamafisana ara-pahaiza-manao momba ny fandaminana ny mpianatra iny dia tsy natahotra intsony…”

Afaka mampiasa foana ny traik’efa sy fahaiza-manao izay azony tato amin’ny tetik’asa Projet Jeune Leader ireo Jeunes Leaders ireo amin’ny sehatra hafa izay ho safidiany any aoriana any; indrindra raha asa na fianarana mifandraika amin’izany. Azo antoka fa efa matianina amin’ny asa fanabeazana ireo Jeunes Leaders ireo satria izany no andraikitra sahaniny isan’andro. Ny fahaiza-mitarika indray dia mampivoatra foana ny fahaiza-manaony manokana ary tombony manokana ho an’ ireo Jeunes Leaders izany satria na ny sehatr’asa na ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny dia mitaky izany.

Ny Projet Jeune Leader araka izany dia tsy mitsahatra manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena na ho an’ny mpisitraka mivantana izany na ho an’ireo tanora misehatra mivantana eny amin’ireo mpisitraka, izay anisan’ny mpisitraka ny tetik’asa ihany koa.





bottom of page