top of page
  • Photo du rédacteurLilie Randrianasolo

Fikambanana tonga ONG, mihalehibe hatrany Projet Jeune Leader


« Ahoana ny ataon’ny ONG-nareo iatrehana ny aretina covid-19 sy ny vokany? »


Mpianatra avy amina sekoly ambony iray ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa no nametraka io fanontaniana io tamin’i Mihaja sy tamin’iny taona 2021 iny. Nanao fanadihadiana izy ireo nijery ny fomba nataon’ny ONG mba hitazomana ny tanjany ao anatin’ny sedra goavana manakana ny fanatanterahany ny asany. Mbola niverina izany fanontaniana izany tamin’ity taona 2022 ity, tamina mpianatra hafa avy amin’io sekoly ambony io ihany. Mitohy hatrany ny fiantraikan’ny valan’aretina covid-19 eto Madagasikara, na lafiny sosialy, na ekonomika na amin’ny fanabeazana izany; ary tsy afa-bela tamin’ireo fiovana goavana ireo ny tetikasa Projet Jeune Leader. Toeram-pianarana mikatona matetika, ny mpiara-miasa sy ny fianakaviany tratry ny aretina, fivoriana voatery natao tamin’ny tambazotram-pifandraisana, ireo no nandrafitra ny andavan’andron’ny tetikasa nandritra ny taona 2021. Tsy maintsy nandray fepetra sy fandaminana izahay mba hahatrarana ireo tanjona napetraka.


Na dia teo aza ireo sedra ireo – sedra izay natrehan’ny ankamaroan’ireo fiarahamonim-pirenena teto Madagasikara sy tany ivelany – dia nihalehibe ny tetikasa Projet Jeune Leader tamin’iny taona 2021 iny. Lafin-javatra maro no nisehoan’izany.




Hatramin’ny nahavitana sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana desambra 2020, dia nandray anjara nampitombo ny tetikasa sy nanamafy io fiaraha-miasa io avokoa ireo tanora mpanentana tsirairay, ny mpiasa rehetra ato amin’ny tetikasa sy ny Talen’ireo sekoly mpiara-miombon’antoka.

Rehefa nanome fanabeazana miavaka sy mampandray anjara ireo Jeunes Leaders, dia nampita ny zava-kendren’io fifanarahana io tamin’ny olona rehetra miserasera sy miasa eo an-tsekoly, indrindra ireo mpisitraka mivantana sady loha laharana, dia ireo mpianatra izany. Nampiseho fahaiza-manao sy fahaizana miasa tokoa izy ireo nanasa ireo mpanabe sy mpiandraikitra tsy ankanavaka ao an-tsekoly, hanatrika ny sahan’asa iarahany amin’ny mpianatra. Rehefa manatrika izany koa moa izy ireo dia nandoka sy nanome tamberina hatrany ireo tanora mpanentana ireo. Izany no mampiseho fa tena vonona hanohana sy hitolona hoan’ity tanjona iombonana ity izy ireo.




Nandritra ny volana oktobra sy novambra 2021 dia afaka nitondra mpiasa ao amin’ity Ministera ity izaho sy ny RTR ao Vakinankaratra hijery ifotony ny sahan’asa ataon’ny Jeunes Leaders. Samy afapo tamin’ny fanatrehana mivantana ny fanabeazana omena ireo mpianatra ny isam-batan’olona tonga tany. Ny Chef du service de la coordination et du suivi des Activités au sein de la Direction Générale en charge des Etablissements Scolaires du Ministère, sy ny Coordonnateur National de l’ECS ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izao dia tsy lany dokadoka raha nandalo teny amin’ny CEG Behenjy. Akory ny hafalian’izy ireo nahita fa tena matianina sy matotra tokoa ny tanora mpanentan’ny Projet Jeune Leader.


Nanana tombony izahay ato amin’ny tetikasa, izay lasa fahazana mihitsy, afaka nanampy isa ireo CEG mpiara-miasa aminay indray tamin’iny fidirana iny – fahazarana voatazona tamin’ity taona 2021 na teo aza ny valan’aretina.

Sekolim-panjakana 50 tao amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania sy Haute Matsiatra – nahitana sekoly vaovao 5 – no misitraka ny fanabeazana feno mikasika ny fananahana miavaka atolotrin’ny tetikasa Projet Jeune Leader tamin’ny fidirana ny volana septambra 2021. Ny volana oktobra, raha efa nanomboka andro vitsivitsy ny fianarana, dia CEG iray tao amin’ny faritra Amoron’i Mania indray no afaka niditra ny fianakaviambe Projet Jeune Leader ; ny CEG Antanetibe izany, sy ny Jeune Leader faha-56. Araka ny hevitra efa nijoroanay hatrizay – hanome fanabeazana feno mikasika ny fananahana miavaka sady tsara kalitao ho an’ny zatovo rehetra – dia any amin’ny tanana ambanivohitra avokoa ireo sekoly mpiara-miasa vaovao, misy aza tena saro-dalana tokoa.


JL Sitraka, CEG Antanetibe

Ary farany dia taona tena nanamarika ny tetikasa tokoa iny taona 2021 iny satria dia tonga ONG Projet Jeune Leader ny tetikasa raha Association Lead Santé izany teo aloha.

Taorian’ny lamina sy antanan-tohatra maro, faharetana sy fiandrasana lalina, dia faly ery i Sophie, Directeur des Ressources Humaines et Contrôle des Gestions ato amin’ny tetikasa, nampiseho ny ekipa rehetra ny taratasy nanoratana ny ONG Projet Jeune Leader ara-panjakana. Inoanay fa io anarana sy sata vaovao io dia hanokatra lalana sy fahafahana vaovao sy marobe hitomboana hatrany.



bottom of page